Notanterahina ny sabotsy faha 18 ny volana mey lasa teo ny asa Tagnamaro teo anivon’ny Minisiteran’ny Indostria, ny Varotra sy ny Asa Tanana. Asa fanadiovana sy fandokoana ny toeram-piasana teny Ambohidahy no nentina nanombohana izany. Niara-nisalahy ny mpiara-miasa rehetra teo anivon’ny MICA, notronin’ireo antokon-draharaha eo ambanin’ny fiahian’ny minisitera.
Ho an’ny MICA, dia notarihan-dRamatoa Minisitra Lantosoa RAKOTOMALALA izany, izay nanambara fa ity asa fanabeazana sy fanentanana ny mpiara-belona ity dia ho atao isaky ny sabotsy fahatelo ny volana.
Hafaliana sy haravoana no nanaovana ity hetsika voalohany tao Ambohidahy ity ary hotohizana amin’ireo toeram-piasana hafa izany.