Nitondra ny anjara birikiny ho an’ireo mpiray tanindrazana tra-boina vokatry ny toetr’andro ratsy ny solontena avy eto anivon’ny Filakevitry ny Fifaninana na ny CONSEIL DE LA CONCURRENCE androany 28 janoary 2022.

Ny delegasionina dia notarihin’i Ramatoa LANANA Marcelle Claudia, Conseiller, Filoha mpisolo toerana eto amin’ny Filankevitra. Izany no natao mba ho fanampiana ny mpiray tanindrazana ary ho famaliana ny antso vohin-kava mahatratra izay nataon’i Andriamatoa Edgard RAZAFINDRAVAHY, Minisitra misahana ny Varotra.