« Ny fahalalahana sy ny fahamarinan’ny fifaninanana : tombon-tsoa ho an’ny mpandraharaha sy ny mpanjifa ». Izany no lohahevitra novelabelarina nandritra ity fankalazana ity. Niarahana tamin’ireo filan-kevitry ny fifaninanana sy ny rafi-pahefana nasionaly misahana ny fanasaziana ara-barotra (ANMCC), rafitra izay ao ambanin’ny fiahian’ny minisitera, moa izany. Ity andro ity dia nomarihina tamin’ny alalan’ny fifanakalozan-kevitra teo amin’ireo mpandray anjara ara-toe-karena (mpamokatra, mpamatsy, mpandraharaha ary mpanjifa) izay maro tokoa no namaly ny antso.
Izao fihaonana izao no natao mba hahafahana mampihatra ny lalàna laharana 2018-120 mifehy ny fifaninanana ara-barotra milaza ny fampiharana fifaninanana marina, mangarahara ary manaja ireo fitsipika rehetra izay napetraka.
Tamin’ity andro ity ihany koa no nanamafisana ny fanoloran-tenan’ny filankevitry ny fifaninanana ara-barotra ho amin’ny fanatsarana ny tontolon’ny raharaha ara-barotra ho fisandratan’ny Madagasikara.

Ny MICA, izay nosoloin’Atoa Tale Jeneralin’ny Varotra (DGC) tena, dia namposirika hatrany ireo mpandraharaha ara-toe-karena ny hiditra amin’ny fifaninanana ara-drariny sy mangarahara. Nisy ny famelabelarana nandraisan’ny MICA anjara mikasika ireo fomba fanao mamono ny fifaninana ara-barotra toy ny fandavana ny hivarotra na ny fihazonana ny vokatra (tahirim-bokatra) sy ireo maro hafa tsy mampivelatra ny sehatry ny varotra madio. Misy fiantraikany ratsy amin’ny fahefam-bidin’ny mpanjifa ireo ary miteraka ny firoborobon’ny sehatra tsy ara-dalana. Ny MICA moa dia efa nandray fepetra manoloana ireny fomba tsy ara-drariny ireny : fisafoana eny an-tsena tanterahin’ireo Kaomisera sy ireo mpanara-maso ny varotra, ho fiarovana ny mpanjifa sy ireo mpandraharaha ara-toe-karena. Tsara ny manamarika fa efa an-dalan’ny fankatoavana io lalàna io. Ny fampiharana ny lalana momba ny fifaninanana ara-barotra dia aro fenitra ho an’ny tombontsoan’ny rehetra, isan’izany ny mpanjifa.