Tontosa ny zoma faha 17 jiona 2022 teo ny hatrikasa narahana adi-hevitra, nentina nampafantarana ny lalàna mifehy ny Fifaninanana tao amin’ny faritra AMORON’I MANIA.

Nilaza ho afa-po moa ireo mpandray anjara, izay tena nandray anjara mavitrika ihiany koa tamin’ireo fifanakalozana rehetra izay natao.

Nisy ireo karazana sosokevitra nivoaka ho fanatsarana ny tontolony Fifaninanana eto Madagascar indrindra ny ao amin’ny faritra AMORON’I MANIA.